<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry Jeso Masoandronay o! FFPM547</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso Masoandronay ô !
 Ny aizin'ny fo lasa tokoa,
 Fa tonga aty anatinay izao
 Mazava lehibe.
 Eny, Jeso ô, Zoky be fitia,
 Soa lehibe (no) nentinao tatý
 Avy izahay mba hisaotra
 Anao
 Noho ny fitiavanao.

[V2]
 Vangianao ny tokantrano
 Ka menatr'erý, kaody sy lao
 Ny fomba ahitana angano
 Izay tsy mba sitrakao.
 Eny, Jeso ô, ..sns.

[V3]
 Mpanjaka Fiadananay ô !
 Ekena tokoa ny herinao :
 Ny sabatry ny firenena
 Hatao fangady izao.
 Eny, Jeso ô, ..sns.

[V4]
 Ry Jeso Tompo tia anay ô !
 Misaotra Anao izahay izao
 Fa henika ny hasoavanao
 Izao tontolo izao.
 Eny, Jeso ô, ..sns.</lyrics>
<hymn_number>547</hymn_number>
<author>L.E. Jones</author>
</song>